|
|
|
|

Teny iditra1 trondro
Sokajin-teny  2 anarana
Fanazavàna teny malagasy  3Karazana hazandrano somary fisapisaka, ny tenany rakotra kira masaisay ary manam-pitaovana ahafahany mihetsika ao anaty rano: vombony iray ao an-damosiny, fivoy milaha-droa eo ambany tratrany sy ambany kibony, fivoy iray indray ao am-poto-kibony, ary ny rambony, izay mikapoka miankavia sy miankavanana rehefa mitsoriaka izy; misy karazany roa ny trondro: ny trondron-dranomamy sy ny trondron-dranomasina; manatody ny trondro amin' ny fararano, izay foy amin' ny voalohandohan' ny ririnina.
4Anisan' ny tsara sy matsiro ny trondro; laokandrano, laoka. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  5a goldfish acclimated in Madagascar. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  6poisson. [1.8]
Ohatra  7 Raha telo sy efatra ny trondro azo dia atao lany tono ho solom-boangahazo ambara-piandry masaka. [2.470]
8 Be rano misy trondro eny manodidina rehetra eny. [2.472]
Voambolana  9 Haibiby: trondro
Kamban-teny rehetra  10Fikambanana 2 amin' io teny io
Ohabolana  11 Ohabolana misy io teny io

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02