|
|
|
|

Teny iditra1 tifidalitra
Sokajin-teny  2 anarana
Fanazavàna teny malagasy  3Lalaon' ny ankizy anehoana fahakingana amin' ny famonoan-dalitra: aforitra ny hazo na sila-bolo, asiana tady ny tapany roa hanenjana azy, ka ny bala dia vero na hazo hazonina eo amin' ny tady ny tapany; sintonina henjanina mafy ny tady, ka avotsotra tampoka, dia mitsipika teo ny bala ka mihatra ery amin' ny zavatra tifirina. [Betsileo] [1.1]
Voambolana  4 Kilalao

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/12