|
|
|
|

Teny iditra (1/3)1 sakany
Sokajin-teny  2 anarana sakana sy mpisolo
Fanazavàna teny malagasy  3Habe mifanohitra amin' ny lavany: Ohatrinona no haben' ity efitrano ity? Fito metatra ny lavany ary dimy metatra ny sakany.
4Habe salasalany, antonintoniny. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  5the width. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  6largeur. [1.8]
Ohatra  7 Efa tonta ihany ilay varavarana ka takela-kazo sahabo ho iray zehy sakany sy roa halavany no azo nakisaka hijereny ny ati-trano. [2.470]
Voambolana  8 Toerana
Kamban-teny rehetra  9Fikambanana 3 amin' io teny io

Teny iditra (2/3)10 sakany
Fototeny  11sakana
Sokajin-teny  12 mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  13Lehibe, vantotra, tsy mbola tena lehibe nefa tsy kely intsony koa: Sakan-jaza, sakan' ombivavy.
14Salasalany, atriatry: Sakan-karona.. [1.1]
Voambolana  15 Toerana

Teny iditra (3/3)16 sakany
Sokajin-teny  17 anarana
Fanazavàna teny malagasy  18Vantotr' ombivavy afa-miteraka. [Betsileo] [1.1]
Tovy hevitra  19andranarivavy, vatony

Fivaditsoratra  20 kinasa, 21 ñasika, 22 sakany, 23 sanaky, sañaky

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/03