|
|
|
|

Teny iditra1 sakanana
Fototeny  2sakana
Sokajin-teny  3 matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy  4Fefena: Nosakanan' ny tompony vato be ny fidirana ao anaty sahany.
5Tohanana tsy avela handeha, tsy avela hiditra: Nosakanan' ny polisy tsy hiditra ny ankizy latsaky ny telo ambin' ny folo taona.
6Rarana: Nosakanan-drainy ny fanambadian' i Soa ka tsy raikitra.
7Tohanana, atao izay tsy haharaikitra: Nosakanan' i zoky ilay tranonay eny Ambohimanarina saika hamidy.
8Ajanona: Nosakanany teny an-dalana aho mba hilazany izany vaovao izany. [1.1]
Haiendriteny 
9 Ny ankehitriny :
10 Ny lasa :
11 Ny hoavy :
12 Filaza mandidy :
Kamban-teny rehetra  13sakanan-takatra
Ohabolana  14 Ohabolana misy io teny io

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02