|
|
|
|

Teny iditra (1/3)1 ranitra
Sokajin-teny  2 anarana
Fanazavàna teny malagasy  3Toetran' ny zavatra manify dia manify ka mahadidy na mitsilotsilo ka mahaloaka. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  4sharpness, keenness of edge.
5See rangitra. [1.2]
6sharpness. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  7état de ce qui est aiguisé, effilé comme un tranchant, état de ce qui est pointu comme une lance. [1.3#508]
8état de ce qui est bien tranchant. [1.8]
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Kamban-teny rehetra  25Fikambanana 2 amin' io teny io

Teny iditra (2/3)26 ranitra
Sokajin-teny  27 anarana
Fanazavàna teny malagasy  [rañitra] 28sakaiza ara-pitiavana, vady tokantranomaso. [Tambahoaka] [1.78]
29Vady tsy aradalana, vehivavy iaraha-mipetraka tsy ara-dalèna, tokantranomaso, vazo, sengy. [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  30concubine : celui qui entretient un concubine. [1.3#508]
Ohatra  31 Ary sanatrian' ny 'vava, raha Randriamatoa no ratsy fitondra vady, indrindra ka hanitsakitsa-bady, handehandeha amin' olon-kafa, ary hanao vady hatakalo ranitra, ka lazany izy no manam-bady, fa ny fony sy ny sainy ary ny tenany sy ny volany atolony ho an' olon-kafa : tia olon-kafa noho ny vady izany ka efa tsy olona fa biby. [2.346#30]

Teny iditra (3/3)32 Ranitra
Sokajin-teny  33 anarana (lohatenin' boky) [Fitanisana]
Mpanoratra  34Rajaonarison Elie
Mpanonta printy  35 Mitsinjo. 1992. Haavony: 21cm. Ambainy: 13.5cm. Takila: 128.
Sary 

Fivaditsoratra  36 ranitra, Ranitra

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/03