| Fanazavàna teny malagasy |
3 - Ny fiainany.
Teraka tao Ambodihady Ambohimanarina izy ny 12 Janoary 1916.
4Zanak’Itompokolahy Razafimahatratra, mpampianatra sy Itompokovavy Razafimiarandray.
5Manambady an-dRamatoa Razanadrasoa ary 11 no isan’ny zanany.
6 - Ny Sekoly nianarany.
1922-1923 : Nanomboka nianatra tao amin’ny Sekolim-panjakana tao Ambohimiadana Andramasina.
7 1924-1925 : Nifindra tao amin’ny Sekolim-piangonana LMS tao Ambodihady Ambohimanarina.
8 1926-1930 : Nanohy ny fianarany tao amin’ny Sekolim-panjakana tao Anosisoa-Ambohimanarina.
9 1931-1934 : Tao amin’ny Sekolin’ny LMS Ambatonakanga.
10 1935-1936 : Tao amin’ny Sekoly Normaly niraisan’ny Misiona Protestanta tao Ambavahadimitafo.
11 1937-1939 : Nanohy fianarana tao amin’ny Sekoly Paul Minault tao Ambohijatovo.
12 - Ny asa nataony.
1939 : Nanomboka nampianatra tany Isoavina.
13Ecole de Station LMS.
14 1940- 1941 : Nafindra nampianatra tao Ambatonakanga LMS.
15 1941- 1942 : Naverina nampianatra tany Isoavina indray.
16 1942- 1946 : Niditra tao amin’ny Kolejy Teolojika LMS Ambohipotsy.
171946-1950 : Mpitandrina tao Ambohitsimeloka-Ambohidratrimo.
181950-1970 : Mpitandrina tany Isoavina-Carion.
19 1971-1972 : Prezida Sinodaly tany Fianarantsoa.
201973- 1974 : Tonian’ny Isan’Enimbolan’Imerina.
21 1974- 1980 : Tonian’ny Mpiandraikitra Fitondram-piangonana Foibe fjkm.
22 1980-1981 : Nisotro ronono.
23 - Ny Asa Sorany Nanoratra.
Ny Sikajin’i Dadabe, Voromby, Isa ny Amontana, Sekolin ’ny Ntaolo.
24 Ny tena ahafantarana azy dia ny tantara foronina.
25Nisy koa anefa dikan-teny nahakinga azy toy ny : Et il habita parmi nous izay nadikany hoe : Ary izy niara-nonina tamintsika.
26Tsotra, mazava, mahaliana ny asa sorany.
27
.
[5.mg.http://www.macp.gov.mg/blog/divers-randriamiadanarivo/]
|