|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1 Radama II
Singan-teny  2Radama
Sokajin-teny  3 anaran-tsamirery (olona) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  4Radama II (1829-1863, manjaka 1861-1863).
5Rehefa nanjaka nandimby an-dRanavalona I Rakoto, dia natao hoe Radama II.
6Te-handrava izay fomba rehetra heveriny ho teritery Radama II.
7Novotsorany ireo mpigadra noho ny fivavahana kristiana ary nohalefahiny ny sazy nomena ireo tamponja.
8Navelany hiditra malaka tsara ny Vazaha.
9Koa tamin'ny fisehoany tamin'ny Septambra 1862 dia nisy solontena frantsay sy englisy nanatrika ny lanonana.
10Nanaraotra izany ny Vazaha mpivarotra ka nampiditra entana betsaka.
11Ary fahadisoan-dRadama ny nanafoana ny fadintseranana satria nibosesika teto ny toaka.
12Ireo misionera dia navelany hiasa tsara.
13Nanatrika ny fotoam-pivavahana izy ary nampirisika ny fampianarana nokarakarain'ny misionera.
14Ny vahoaka dia samy nahazo manaraka ny fivavahana tiany.
15Tia andranandrana sy tia lalao i Radama II.
16Niara-nikorana sy nilalao tamin'ny zatovo niara-nihira taminy izy.
17Ireo sakaizany dia nanorenana trano fandihizana sy fimamoana ary tena "tsy mena-maso olona" mihitsy na tamin'ny toetra na tamin'ny fitondra-tena.
18Izany no nanaovana ny sakaizan-dRadama hoe Menamaso.
19Ny fitondrantenan-dRadama sy ny fisakaizany tamin'ny Vahiny dia nanafintohina ny Manamboninahitra izay velona ahiahy fatratra.
20Koa raha nifanditra tamin-dRainivoninahitriniony ny Menamaso iray dia noteren'ny Paraiministra ny Mpanjaka handroaka ny Menamaso fa tsy nety.
21Rehefa niala nenine fatratra ny Manamboninahitra dia nioko hamono ny Menamaso ary Radama II dia novonoiny nokendaina tamin'ny lamba landy, fa tsy azo alatsa-dra ny Andrianjaka (16 May 1863).. [2.113]
Ohatra  22 Nanjaka tamy ny io taona 1862 Radama; [2.59#303]
23 Namboarina ho vadin-dRakotondradama (Radama II) izy. [2.649#1111]
Voambolana  24 Tantara: olona
Sary 

Teny iditra (2/2)25 Radama II
Singan-teny  26Radama, 27II
Sokajin-teny  28 anarana (teatira) [Fitanisana]
Voambolana  29 Haisoratra: teatira
Mpanoratra  30Ravelomoria Wast

Fivaditsoratra  31 miara-dia, 32 Radama II

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/05