| Fanazavàna teny malagasy |
4Radama I (±1793-1828, manjaka 1810-1828).
5Valo ambin' ny folo taona Radama fony nanombaka nanjaka nandimby an-drainy ary nanjaka 18 taona.
6Na dia kelikely ray aza dia tsara toe-batana, maherihery maso, mavitribitrika ary nahagaga ny hakingan-tsainy nahaforonany eo ho eo ny zava-kendreny.
7Nisy Temoro roa lahy nampianatra azy nanoratra tamin' ny litera arabo.
8Ratsilikanina sy Andriamahazonoro no anaran' ireo Temoro nohafaran' Andrianampoinimerina hitaiza an-dRadama.
[2.113]
|