|
|
|
|

Teny iditra1 Rabetsimandranto Fidelis-Justin
Singan-teny  2Rabetsimandranto
Sokajin-teny  3 anaran-tsamirery (olona) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  4Rabetsimandranto Fidelis-Justin (1907-1966). [1.1]
5Fidelis-Justin Rabetsimandranto dia teraka tao Antananarivo tamin'ny taona 1907, volana Oktaobra ary nodimandry tamin'ny volana Aogositra 1966.
6Tao Mananjara, vohitra kely naorin'Andrianampoinimerina tany an-tendrony, ao ambany atsimon'Ambohijanahary, no akany nahitany masoandro.
7Ny razambeny dia anisan'ireo " Valopololahy " sy " Valopolovavy " nafindran'ny Ombalahibemaso fonenana tao.
8Tao amin'ny Sekolim-panjakana tao Fiadanana no nanombohan-dRabetsimandranto nianatra, dia nifindra tao amin'ny "Ecole-Supérieure " tao Faravohitra izy, ary avy ao dia niditra ho kilasimandry tao amin'ny " Collège Saint-Michel" Amparibe; dia tao no nianarany nandritra ny efa-taona ka nahazoany ny diplaoman'ny fahazoa-mampianatra.
9Nony nivoaka ny fianarana izy, tamin'ny taona 1925, noho ny talenta hita taratra nananany tamin'ny fanoratana, dia nangatahina mba ho isan'ny Mpanoratra amin'ny " Feon'ny Marina " , ka dia tao no nanombohany ny asany voalohany amin'ny soratra ary nahalalan'ny maro ny hakanton'ny diam-peniny mitondra ny solon'anarana hoe: Fidelis-Justin, "anarana indrana" nentiny mandra-pahafatiny.
10Ny poezia no isan'ny soratra nahavanana azy sy nankafiziny fatratra ary nokaliny sy nanorenany fo tokoa.
11Raha vao herintaona monja no nanoratany an-gazety, dia namoaka ho boky ny asany voalohany izy, izay nomeny anarana hoe "Fehezam-boninkazo" , tononkalo mirindra sy feno aingam-panahy ambony ka toa niavaka tamin'ny asa soratra fahita tamin'izany andro izany.
12Hatramin'io taona 1926 io, dia tsy nitsahatra ny nanoratra i Fidelis Justin Rabetsimandranto, ary nifototra tamin'ny literatiora ka ny amboaran-tononkalo sy tantara poezia vitany hatramin' izay dia miisa amin-jatony; ny tantara foronina, enina ambin'ny folo; ny tantara fampisehoana, enina; ny Vako-drazana, enina, ka anisan'ireo ny "Kabary taloha sy ankehitriny ".. [2.314]
Voambolana  13 Haisoratra: mpanoratra
Asa navoany  14 Adidy nandresy fitiavana Tritriva
15 Andraikiba
16 Antananarivo sy Ambanivohitra
17 Avonavona resim-pitia
18 Diksionera Malagasy : A-Doka
19 Fehezam-boninkazo
20 Fo idealy
21 Fomba amam-panao malagasy : 1887-1962
22 Hady folo sosona
23 Hain-teny malagasy
24 Iangivola
25 Kabary vaovao
26 Ny kabary taloha sy ankehitriny
27 Ny voninkazon-dohataona
28 Ralibenja
29 Ranokombe
30 Sahy sedra Mizana tsindrian’ ila
31 Soaniary
32 Sorobaton’ilay jamba
33 Trimofoloalina
34 Vatolahy
35 Votso-droa

Nohavaozina tamin' ny 2025/10/07