|
|
|
|

Teny iditra1 misalotra
Fototeny  2salotra
Sokajin-teny  3 matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4Mitondra salotra: Hitako misalotra Rangahy iny rehefa mianjaika.
5Mitafy ilany kely izay tsy mahasarona ny tena manontolo: Nisalotra tapa-damba kely misoratra teny am-bozony izy.
6Manao akanjon' olona, indrindra raha akanjon' olona ambony voninahitra noho ny tena: Sahinao ve ny hisalotra ny akanjo-na lietnà nefa ianao vao kaporaly?. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  7to wear a vest. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  8porter gilet. [1.8]
Haiendriteny 
9 Ny ankehitriny :
10 Ny lasa :
11 Ny hoavy :
12 Filaza mandidy :

Fivaditsoratra  13 masilotra, 14 misalotra, 15 misolatra

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/12