|
|
|
|

Teny iditra1 Midona moramora
Sokajin-teny  2 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  3 Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  4Ny Avana
Lahatsiratra manontolo  5 Midona moramora
6 Ny any Ankaratra any;
7 Manembona isan'ora
8 Izay mandre izany.

9 Ny zavona mamono
10 Ilay Ambohimiangara,
11 Fa manina azy, hono,
12 Ny tiana, hany zara.

13 Manombana ho avy
14 Ny any Ambohimanoa;
15 Ny ranomasoko avy
16 No indray mirotsa-droa.

17 Mijojo vao maraina
18 Ilay Angavokely;
19 Ny alahelon-tsaina
20 Tsy hita velively.

21 Maneri-takariva
22 Ny eny Andringitra eny;
23 Ka dia " Mahatsiahiva "
24 No voalohan-teny.

25 Tomanitany lava
26 Ny fody eny Imanga.
27 Ny sento tsy misava.
28 Ny tiana tsy mitranga.

29 Tataovan-drahomanga
30 Iarivo indraindray;
31 Ireny miampanga
32 Fa manina izahay.

33 Veloma indrindra àry,
34 Veloma tsy doria;
35 Ka enga tsy harary,
36 Ry tiana sady tia.

37 Veloma mahatsiahy
38 No sisa holazaina.
39 Mandreraka fanahy
40 Ny ranomason-tsaina.

41 Tsahivo anefa izao
42 Ny fara tononkira:
43 Ny sora-tananao
44 No hany " sovenira " .

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/13