|
|
|
|

Teny iditra (1/3)1 manisika
Fototeny  2sisika
Sokajin-teny  3 matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4Mampiditra: Manisika antsy ao anaty fery.
5Mampiditra ombieny ombieny: Manisika teny frantsay mandrakariva amin' ny resany rangahy io.
6Manampy, manosoka: Voatery hanisika takelaka enina amin' ny boky ianao raha hanampy an' io toko iray vaovao io.
7Manome vola na zavatra olona mba hanangolena azy, hitaomana azy tsy hanao ny adidiny: Tsy tokony hisy hanisika mpiasam-panjakana na iza na iza. [1.1]
8mampiditra sisika ao anelanelan'ny litera na fehezanteny. [1.13]
Fanazavàna teny frantsay  9espacer, intercaler. [1.13]
Ohatra  10 Koa miala tsiny, miala fondro aho, ny Andriamanjaka, raha manisika teny kely eto. [2.528#]
Haiendriteny 
11 Ny ankehitriny :
12 Ny lasa :
13 Ny hoavy :
14 Filaza mandidy :
Voambolana  15 Toe-karena: tonta printy, sary
Kamban-teny rehetra  16Fikambanana 2 amin' io teny io

Teny iditra (2/3)17 manisika
Sokajin-teny  18 matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  19mividy. [Bezanozano] [1.78]

Teny iditra (3/3)20 manisika
Sokajin-teny  21 matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  22mihantsy. [Tanosy] [1.78]

Fivaditsoratra  23 mañisaky, 24 manisika, 25 sinimaka

Nohavaozina tamin' ny 2025/10/08