|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1 mandady
Fototeny  2lady
Sokajin-teny  3 matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4Mifindra toerana ka ny kibo no enti-mikisaka: Mandady ny bibilava.
5Mananika: Jereo ireto vitsika mandady amin' ity hazo itỳ.
6Mandeha amin' ny tongotra sy ny tanana: Hay ve mbola mandady itỳ zaza itỳ fa mbola tsy mandeha akory?.
7Mandokadoka fatratra, mita handitra: Loza raha handady amin' ny lehibe Rakoto. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  8to creep; to crawl; to be subservient. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  9Ramper au physique, se traîner par terre, se glisser comme les serpents, grimper comme les fourmis: Mandady ny trambo (Le cent-pieds rampe) ~ Mandady eo anatrohan’ ny tompony io alika io (Ce chien rampe devant son maître) ~ Mbolà mandady io zaza kely io (Ce petit enfant se traîne encore par terre) ~ Mandady amin’ ny hazo ireo vitsika ireo (Ces fourmis grimpent sur les arbres).
10figuré: ramper au moral aduler, cajoler, s’abaisser, s’humilier: Mandady amin’ ny lehibe izy (Il est rampant avec les chefs, il adule les chefs) ~ Notenenina mafy izy vao nandady (Il a fallu lui parler fort pour qu’il s'humiliât). [1.3#366]
11ramper, marcher à quatre pattes; se traîner par terre; s'abaisser. [1.8]
Ohatra  12 Ary ny renin-jaza mandady avy any an-jorofirarazana. [2.857#]
13 Ny avoko ihany no mandady amin' izy ireo fa ny sasany samy mitsangana. [2.643#]
Haiendriteny 
14 Ny ankehitriny :
15 Ny lasa :
16 Ny hoavy :
17 Filaza mandidy :
Mpanahaka  18 misolelaka
Kamban-teny rehetra  19Fikambanana 8 amin' io teny io
Ohabolana  20 Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/2)21 mandady
Sokajin-teny  22 anarana
Fanazavàna teny frantsay  23Nom donné aux patates douces : Ipomoea batatas (L.) Lam.
24(Convolvulaceae) lorsqu'on ne peut prononcer leur nom habituel par suite d'un interdit rituel (fady).. [Betsileo] [1.196]
Voambolana  25 Haizavamaniry
Anarana ara-tsiansa 

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02