|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 manatitra |
| Fototeny | 2atitra |
| Sokajin-teny | 3 matoantenin' ny mpanao |
| Fanazavàna teny malagasy |
4Manolotra, manome zavatra ho an' olona: Nanatitra vorona ho an' i dadatoa izahay tamin' ny 26 Jiona.
5Mitondra miverina, mamerina: Mahagaga ahy fa mbola tsy nanatitra ny volako izy hatramin' izao. 6Miara-dalana amin' olona avy amin' ny toerana iray mankamin' ny toerana iray hafa mba hiaro na hanome voninahitra: Miaramila roa lahy no nanatitra anay. 7Manao veloma mpandeha any amin' ny toerana iaingany: Nanatitra an-dry zoky teny amin' ny fiantsonan-dalamby izahay omaly maraina. 8Miaraka amin' ny mpanambady ka mametraka azy any an-tranony: Olona betsaka no nanatitra ny mpanambady. [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
9to present, to convey.
[1.2, 1.7] 10to send, to return.. [1.2] |
| Fanazavàna teny frantsay |
11présenter, apporter.
[1.3, 1.8] 12offrir: Avy manatitra voaloboka ho anareo aho (Je viens vous offrir des raisins). 13conduire: Nanatitra ny vahiny tao an-tranom-bahiny izy (Il a conduit l'étranger à l'hôtel). 14escorter: Nisy miaramila nanatitra azy (Des soldats l'ont escorté). 15porter: Nanatitra entana tany Toamasina izy (Il a porté des paquets à Tamatave). 16rendre: Tsy mbola nanatitra ny bokiko izy (Il ne m'a pas encore rendu mon livre). [1.3] 17offrir, livrer. [1.8] |
| Ohatra |
18 manatitra ny nahandro, tompoko!
[2.69]
19 Alina iray no manatitra dia samy mody. [2.245] 20 Koa dia manatitra ho anao ny fanjakako aho, ho zanakao ho didianao. [2.508] 21 Ary manatitra anay hatreo Suez Mr Duffus fa sarotsarotra ihany ny fandehanana hatreo Suez. [2.366] |
| Haiendriteny |
|
| Kamban-teny rehetra | 26Fikambanana 4 amin' io teny io |
| Ohabolana | 27 Ohabolana misy io teny io |
| Fivaditsoratra | 28 manatitra, 29 manitatra, 30 mitantara, mitantarà |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/05 |
|