|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1 mahatsiaro
Fototeny  2tsiaro
Sokajin-teny  3 matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4mahazo mitamberina indray ao an-tsaina ny sarin' olona na zavatra hita na fantatra tany amin' ny andro lasa: Mahatsiaro an' i Dada aho izany.
5mahatadidy, afaka hilaza fa efa nahita na nahalala zavatra na olona iray: Tsy mahatsiaro anao mihitsy aho.
6mihevitra: Amin' ny andro sarotra izy vao mahatsiaro an' Andriamanitra.
7mahare: Mahatsiaro mangatsiaka aho izany. [1.1]
8mamerina indray ao an-tsaina ny zavatra efa lasa. [1.13]
Fanazavàna teny frantsay  9se souvenir, se rappeler. [1.13]
Haiendriteny 
10 Ny ankehitriny :
11 Ny lasa :
12 Ny hoavy :
13 Filaza mandidy :
Kamban-teny rehetra  14Fikambanana 5 amin' io teny io
Ohabolana  15 Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/2)16 mahatsiaro
Fototeny  17tsiaro
Sokajin-teny  18 matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  19taitra avy amin' ny torimaso tsy matory intsony: rehefa mahatsiaro izy, hilazako ianao. [1.1]
20mifoha amin'ny torimaso. [1.13]
Fanazavàna teny frantsay  21s'éveiller. [1.13]
Haiendriteny 
22 Ny ankehitriny :
23 Ny lasa :
24 Ny hoavy :
Kamban-teny rehetra  25Fikambanana 2 amin' io teny io

Fivaditsoratra  26 mahasoitra, 27 mahatsiaro

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02