|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 mahafaty |
| Fototeny | 2faty |
| Sokajin-teny | 3 matoanteny na mpamaritra |
| Fanazavàna teny malagasy |
4Afaka hamono: Tsy mahafaty akoho akory, hono, Ramatoa io.
5Mahatonga ho faty: Tsy hahafaty azy akory io aretina io ~ Poizina mahafaty. 6Maharesy: Ny mpilalaonay Ampamarinana no nahafaty tamin' ny baolina. 7Mahazo: Tsy tsara ny tsena androany fa tsy nahafaty roanjato akory aho. 8Mamely mafy, tsy ahazoana aina, mahatrotraka: Mahafaty izany hatsiaka izany. 9Mamono, manala, mikosoka, mampanadino: Ny andro sy ny volana nifandimby no nahafaty ny soratra teto ~ Tsy misy hahafaty ny fahatsiarovako an' i Neny. [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
10To kill.
[1.2, 1.7] 11To put out a lamp. [1.2] |
| Fanazavàna teny frantsay |
12Tuer.
[1.3#157, 1.8] 13Pouvoir tuer, donner la mort, mortel. [1.3#157] 14Gagner au jeu, au commerce, gagner au pari. [1.3#157] 15Éteindre, effacer, enlever la force, abîmer, faire tomber en désuétude. [1.3#157] 16Éreinter, assommer, empester, étouffer. [1.3#157] |
| Ohatra |
17 Ny mamono olona mahafaty olona.
[1.123#]
18 Ny sazin'ny heloka tsy mahafaty. [2.508#] 19 Nareo, hoy i, tsy raha mahafaty ahy! [2.606#] 20 mahafaty io poizina io (Ce poison est mortel) [1.3#157] 21 mahafaty ny hafanana (La chaleur est assommante) [1.3#157] 22 nahafaty olona iray izy (Il a tué une personne) [1.3#157] 23 Heloka mahatapa-doha izany, heloka mahafaty izany! [2.528#] 24 mahafaty ity fiakarana ity (Cette montée éreinte) [1.3#157] 25 nahafaty ny vary ny rano (L’eau a abîmé le riz) [1.3#157] 26 mahafaty ny fofon' io fatim-biby (Cette charogne empeste) [1.3#157] 27 mahafaty izany setroka izany (Cette fumée est étouffante) [1.3#157] 28 nahafaty ny jiro ny rivotra (Le vent a éteint la chandelle) [1.3#157] 29 mahafaty tena ho an’ ny zanany izy (Il se tue pour ses enfants) [1.3#157] 30 Tsy mahafaty ny mamba ny bala (Les balles ne peuvent tuer un caïman) [1.3#157] 31 Tsy hahafaty azy io aretina io (Cette maladie ne lui donnera pas la mort) [1.3#157] 32 Ny ranonorana no nahafaty io hosodoko io (La pluie a abîmé cette peinture) [1.3#157] 33 Inona no nahafaty io soratra io? (Qu’est-ce qui a effacé cette écriture?) [1.3#157] 34 nahafaty ariary telo aho tany an-tsena (J’ai gagné trois piastres au marché) [1.3#157] 35 Iza no nahafaty taminareo roa lahy? (Quel est celui de vous deux qui a gagné au jeu?) [1.3#157] 36 Inona no nahafaty ny herin' ity toaka ity? (Qu’est-ce qui a diminué la force de ce rhum?) [1.3#157] |
| Haiendriteny |
|
| Kamban-teny rehetra | 41Fikambanana 4 amin' io teny io |
| Fivaditsoratra | 42 mahafaty, 43 mahatafy |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02 |
|