|
|
|
|

Teny iditra1 kongona
Sokajin-teny  2 anarana
Fanazavàna teny malagasy  3Bibikely mpitsentsitra ra ka mahatonga hidihidy lozantany somary mahamaimay izany. [1.1]
4karazana katsentsitra mivelona amin'ny ran'ny zavamiaina. [1.13]
Fanazavàna teny anglisy  5a bedbug; a cattle tick. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  6tique. [1.8, 1.196]
7punaise des lits. [1.8]
8punaise. [1.13]
9parasite du bétail. [1.196]
Ohatra  10 Tamin' ny sasany, feno kongona ny trano, ka rehefa alina ny andro, latsaka mipatrapatraka avy any amin' ny valindrihana ireny [2.472#]
11 noho ny hakingan'i Voahirana sy i Dolfa tamin' ireo fanamiana nahitam-pamonjena ireo dia i Lekodia kosa no asian'ny kongona sy ny parasy ao amin' ilay fisoko nanidiana azy [2.895#]
Sampanteny 
Mpamaritra :
Voambolana  13 Haibiby: tsy manan-kazon-damosina
Kamban-teny rehetra  14ahikongona
Ohabolana  15 Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  16 kongona, 17 kononga

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02