|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1 kitrotro
Sokajin-teny  2 anarana
Fanazavàna teny malagasy  3Aretina mahazo ny ankizy latsaka ny folo taona, nefa ny olona izay tsy mbola vitany koa dia mety ho tratrany na firy taona izy na firy taona.
4(Aretina mamorifotra ny kitrotro, izany hoe mandrakotra bontsimbontsina kely ny tena, izay miseho eo amin' ny handrina sy ny vozona, dia ny tratra sy ny lamosina ary miely eran' ny tena manontolo.
5Mandeha ranomaso lava, menamena maso, misondrotra hafanana: izany no fiandohan' ny kitrotro). [1.1]
6karazana fiforonam-poitra antsoina koa hoe kisoso,komongo. [1.13]
Fanazavàna teny anglisy  7the measles. [1.2#345]
Fanazavàna teny frantsay  8rougeole. [1.54, 1.13]
Ohatra  9 Fa ny kitrotro, sy ny kohaka lavareny namely ny ankizy madinika, no loza loatra [2.59#]
Voambolana  10 Fahasalamana

Teny iditra (2/2)11 kitrotro
Sokajin-teny  12 anarana
Fanazavàna teny anglisy  13the name of a species of lemur. [1.2#345]
Voambolana  14 Haibiby: mampinono

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/12