|
|
|
|

Teny iditra1 kalandrie
Sokajin-teny  2 anarana
Fanazavàna teny malagasy  3Fanisana andro vahiny izay arahina saiky eran' izao tontolo izao, ary nokendrena hifanaraka amin' ny fihodinan' ny tany manodidina ny masoandro, lalana ataony mandritra ny andro 365 1/4.
4Ny isa 365 no nozaraina amin' ny volana 12 toy izao: Zanvie (31), Fevrie (28 na 29), Marsa (31), Avrily (30), Mey (31), Jiona (30), Jolay (31), Aogositra (31), Septambra (30), Oktobra (31), Novambra (30), Desambra (31); mba hahamarina tsara ny fifanarahan' ny kalandrie sy ny fandehan' ny masoandro, dia notratrarina ilay fahaverezana ampahefatr' andro (1/4) isan-taona amin' ny fanampiana andro 1 isaky ny efataona ka ny volana Fevrie no niharan' izany, izay ampitondraina 29 andro isaky ny efataona. [1.1]
Voambolana  5 Fotoana

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/12