|
|
|
|

Teny iditra1 Hiran-jaza kamboty
Sokajin-teny  2 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  3 Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  4Andrianaly Alfred
Lahatsiratra manontolo  5 Misy maro izao mikalo,
6 Tsy mba manam-pahavalo;
7 'Zaho kosa toa mimalo,
8 Toa latsain'izay mandalo.

9 Ao ny revo mikorisa
10 Eny an-dalam-paradisa,
11 'Zaho kosa mitanisa
12 Fahorian-tsy hita isa!

13 Ao ny voky safosafo,
14 Hafalia-mitafotafo;
15 'Zaho kosa misakafo
16 Sady mandry tsy amin'afo!

17 Ao ny mbola velon-dreny,
18 Manan-dray hiteniteny ;
19 'Zaho kosa… voa dia eny:
20 Singan'olona manjeny .

21 'Zay tazaniko rehetra
22 Samy lavitry ny tsetra;
23 'Zaho kosa manjoretra
24 Sy mijaly an-tery setra !

25 'Ndreo ny vorona misiaka,
26 Miramirana sariaka;
27 'Zaho kosa toa mifiaka
28 Ranomaso be mandriaka!

29 'Rony kintana misosa,
30 Tsy mba manana mpifosa;
31 'Zaho kosa! 'zaho kosa
32 Mitanondrika fa osa!

33 Volana manatri-tava,
34 Taratry ny fo mazava;
35 'Zaho kosa maizin-dava,
36 Tojo ny oran-tsy misava!

37 Ô! ry lanitra ô, avoty
38 Fa mahantra ity kamboty!
39 Zazabodo diso angoty ,
40 Vao nitsiry dia voaoty!

41 Satriko aza anio ihany
42 Dia hilaozana ny tany,
43 Ka hisidina hankany
44 'Lay Fanahy nosimbany.

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/13