|
|
|
|

Teny iditra (1/3)1 havokavoka
Sokajin-teny  2 anarana
Fanazavàna teny malagasy  3Taova anankiroa, havia sy havanana, ao anaty tratra, mifono ao anaty kitapo roa sosona atao hoe plevra, ka fiafaran' ny fitaovam-piaina.
4(Entin' ny traokabe, izay mizarazara ho zana-traoka eo am-pidirana amin' ny havokavoka, ny rivotra ka miafara any amin' ny kitapon-drivotra kely an' analinaliny; ao anatin' ireo kitapon-drivotra kely ireo no mifandray ny mpanelira madinika sy ny mpamerindra madiniky ny havokavoka, ka ny ra mena mainty entin' irery voalohany, mivesatra gaza karbonika, dia miova ho mena midorehitra noho ny oksizenan' ny rivotra, ka dia entin' iretsy faharoa kosa indray any amin' ny fo). [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  5the lungs, the lights.. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  6poumons. [1.5]
Voambolana  7 Haiaina
Kamban-teny rehetra  8Fikambanana 3 amin' io teny io

Teny iditra (2/3)9 havokavoka
Sokajin-teny  10 anarana
Fanazavàna teny malagasy  11Kapoka mandrivorivo, fikapohana na famelezana mafy tsy misy indrafo.. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  12flogging, beating, striking.
13See kapoka, vely.. [1.2]
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :

Teny iditra (3/3)21 havokavoka
Fototeny  22havoka
Sokajin-teny  23 anarana

Nohavaozina tamin' ny 2025/10/08