|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 fiteronteronana |
| Fototeny | 2teronterona |
| Sokajin-teny | 3 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
4Fipetrahana amin' ny toerana avo milingilingy, fipetrahana mininginingina amin' ny toerana avo: Nitady an' Ikoto efa ho antsasak' adiny reniny fa tsy nahita azy; nony inona, akory ny fahagagany nahita ny fiteronteronany tery ambony hazo (na ny fiteronteronany terỳ ambony vato).
5Fipetrahana amin' ny toerana mihaja ary mora tazana: Edre izany fiteronteronan' ilay mpandresy terỳ ambony filanjana raha nentina niditra ny tanàna. [1.1] |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/09/12 |
|