|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1 fanaja
Fototeny  2haja
Sokajin-teny  3 anarana na mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  4Fomba entina manaja, manome voninahitra.
5Azo hajaina, tokony hohajaina: Fanaja ny volo fotsy, rankizy. [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  6Qu’on doit honorer, honorable, la manière d’honorer. [1.3#207]
Ohatra  7 Raha mba fanaja ihany ny zanakay fa olona, efa manana ny fomba niraisana ela isika raha hanala dika fahadisoana vita, dia io Fafy nangatahina teo io. [2.245#]
8 Na inona na inona aloha zavatra mikasika ny fiainana, ny isam-pirenena na isam-paritany samy manana ny fomba amam-panaony, izay fanaja raha mbola mihevi-tena ho olona koa ilay manao sy raha mbola heverina ho olona koa ilay manao sy raha mbola heverina ho olona koa ilay anaovana. [2.472#]

Teny iditra (2/2)9 fañaja
Sokajin-teny  10 anarana
Fanazavàna teny malagasy  11rakitra, fananana. [Tanosy] [1.78]

Fivaditsoratra  12 faanja, 13 fañaja, fanaja

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/03