| Fanazavàna teny malagasy |
4Zavatra hay, fantatra: Olona be fahaizana, hono, iny tovolahy iny.
5Fahalalana voafototra ary ara-tsaina mikasika zavatra iray: Ny fahaizana momba ny marika.
6Fahafahana manao zavatra: Ny fahaizana mamaky teny sy manoratra.
7Hakingana: Nampiseho fahaizana lehibe izy tamin' izany raharaha izany.
8Fitambaran' ny fahalalana takatry ny sain' ny olombelona mikasika ny zavaboary, ny lalàna mifehy ny zavaboary, sns., izay hitan' ny olo-mahay ombieny ombieny, ka mahatonga ny fiainan' ny taranak' olombelona handroso hatrany: Na manao ahoana na manao ahoana, tsy hahafoana an' Andriamanitra akory ny fahaizana satria ny zavatra nataon' Andriamanitra ihany no dinihiny sy fakafakainy..
[1.1]
|