|
|
|
|

Teny iditra1 biriky
Sokajin-teny  2 anarana
Fanazavàna teny malagasy  3Feta ampandrina ka alatsaka anaty lasitra (hazo lavalava efa-joro) ka ananganana trano rehefa maina; misy karazany roa ny biriky: ireo atao amin' ny tany tsotra, izay atao hoe biriky tany, ary ireo atao amin' ny tanimanga na tany dilatra, izay atao hoe biriky tanimanga; ireto faharoa dia tsy maintsy dorana ao anaty lafaoro amin' ny fompotra na amin' ny kitay hazo. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  4a brick. [1.2, 1.7]
Fanazavàna teny frantsay  5brique. [1.8, 1.13]
Ohatra  6 Nosokirinay ho lasa trano ny biriky. [2.445]
7 Ny tiako, dia ny mba ho trano fiangonana biriky. [2.270]
8 Ary hatao tafo tanimanga sy rindrim-biriky madio ivelany. [2.470]
Voambolana  9 Toe-karena: fanorenana
Kamban-teny rehetra  10Fikambanana 9 amin' io teny io
Lahatsoratra  11Randzavola: biriky ao amin' ny Baiboly
Sary 

Nohavaozina tamin' ny 2025/10/08