|
|
|
|

Teny iditra (1/8)1 ba
Sokajin-teny  2 mpampitohy [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  3mba. [Taisaka] [1.78]
4mba: Ñ'kamo mihinañ'akida ka ba maniry 'hodiny à? (ilay kamo homan'akondro ka mba mitsiry va re ny hodiny e?). [Tanala] [1.78]
Fanazavàna teny frantsay  5marque l'interrogation. [Taisaka] [1.82]

Teny iditra (2/8)6 ba
Sokajin-teny  7 anarana
Fanazavàna teny malagasy  8Fery, vay. [Tanosy] [1.78]
Voambolana  9 Fahasalamana
Tovy hevitra  10bay
Ohabolana  11 Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (3/8)12 ba
Sokajin-teny  13 anarana
Fanazavàna teny malagasy  14Ny fingadonan' ny andalan-tononkalo, izay avy amin' ny toeran' ny tsindrimpeo amin' ny andalana tsirairay avy: Misy karazany roa ny ba, dia ny ba mingadona (ohatra Làpa) ary ny ba mitsaika (ohatra Tàratra).
15Fomba fandrefesana ny feo amin' ny mozika: Ba efatra izany mozika izany. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  16bar in music [Eng.
17Bar.]. [1.2]
18a measure in music; time in music. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  19mesure en musique. [1.8]
Ohatra  20 Betsaka ny tanora mankafy ny Kalon'ny Fahiny: te hahafantatra sy hifehy ny ba Gasy [4.12]
Voambolana  21 Feon-kira: (amin' ny ankapobeny)
Kamban-teny rehetra  22Fikambanana 2 amin' io teny io
Ohabolana  23 Ohabolana misy io teny io
Teny nalaina  24 Soratra misy io teny io

Teny iditra (4/8)25 ba
Sokajin-teny  26 anarana
Fanazavàna teny malagasy  27[frantsay bas] Karazan-tenondamba vita tanana na mima atao amin' ny kofehy volonondry izay ampifampidipidirina manara-dalàna amin' ny vin-korise na vim-ba: Manana akanjo ba mangamanga i Koto kely / Mahay manao ba ny vadin-dRabe.
28Fonon-tongotra rehefa atao anaty kiraro. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  29stockings, socks.
30[Fr.
31Bas]. [1.2]
32knitting. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  33[français bas] tricot. [1.8]
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Anarana :
Voambolana  37 Toe-karena: zaitra
Kamban-teny rehetra  38Fikambanana 5 amin' io teny io

Teny iditra (5/8)39 ba
Sokajin-teny  40 anarana
Fanazavàna teny malagasy  41Karazan' oviala misy vodiny boribory sahala amin' ny tavolo. [Sakalava] [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  42a shrub. [Sakalava] [1.2]
Voambolana  43 Haizavamaniry: hazo

Teny iditra (6/8)44 ba
Sokajin-teny  45 anarana
Fanazavàna teny malagasy  46[frantsay banc] Hazo fisaka lavalava misy tongony, natao hipetrahana.
47Dabilio. [1.1]

Teny iditra (7/8)48 ba~
Sokajin-teny  49 tovona [Fitanisana]
Fanazavàna teny anglisy  50a prefix joined to many roots, a balelaka [primary root lelaka]. [1.2]

Teny iditra (8/8)51 Ba    
Sokajin-teny  52 anarana (eva)
Fanazavàna teny malagasy  53Singa mivaingana, faha-56 amin'ny fisokajiana miherina.. [3.1]
Fanazavàna teny anglisy  54Barium.. [3.1]
Voambolana  55 Simia
Tsanganana sy sary iray takila  56 Fisokajiana miherina

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02