|
|
|
|

Teny iditra1 avoaka
Fototeny  2voaka
Sokajin-teny  3 matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy  4Roahina: Avoahy any io alika io.
5Asaina hiala ny trano: Navoaka ny mpiasa fa hasiana D.D.T.
6ao an-trano
.
7Esorina avy ao anaty: Navoaka daholo ny zavatra rehetra tao anaty vatany.
8Lazaina: Nanohina ny fon' ny olona ny teny navoakan' ny vavany.
9Lazaina am-pahibemaso: Misy didy vao navoakan' ny fanjakana vao haingana momba ny halatra omby.
10Aposaka: Avoahy tsara eto anoloan' ny fitsarana izay zavatra fantatrareo.
11Aseho voalohany ho hitan' ny olona: Itỳ no boky faharoapolo navoakako. [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  12qu’on fait sortir, qu’on sort, qu'on accompagne en sortant, qu’on envoie, qu’on expédie, qu’on chasse, qu’on livre, qu’on montre, qu’on manifeste, qu’on découvre, qu'on exhibe, qu’on dit, qu’on révèle, qu’on dénonce, qu’on publie, qu’on prononce, dont on rend compte. [1.3]
Ohatra  13 navoaky ny fanjakana ny miaramila hanafika ny Sakalava (Le gouvernement a envoyé, expédié des soldats pour faire la guerre aux Sakalaves) [1.3]
14 navoaky ny leniben’ ny tanàna io olona tsy fantatra io (Les chefs du village ont chassé cet inconnu) [1.3]
15 Izao ny lalàna vaoavo navoaky ny fanjakana (Voici la nouvelle loi publiée par le gouvernement) [1.3]
16 Inty ny diksionera vaovao vao navoaka (Voici le nouveau dictionnaire qui vient d’être publié) [1.3]
17 Tsara loatra ny teny navoaky ny vavany (Les paroles sorties de sa bouche, qu’il a prononcées, sont excellentes, il a très bien parlé) [1.3]
18 tapany ihany no avoaka, dia izay itenenana no mameno azy an'eritreritra. [2.298]
19 avoaka avy ao anaty vata kely volafotsy ny tandro-bola ka apetraka eo ambony farafara. [2.508]
Haiendriteny 
20 Ny ankehitriny :
21 Ny lasa :
22 Ny hoavy :
23 Filaza mandidy :
Kamban-teny rehetra  24fitapahana avoaka
Ohabolana  25 Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  26 aovaka, 27 avaokà, 28 avoaka

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02