|
|
|
|

Teny iditra1 asiana
Fototeny  2isy
Sokajin-teny  3 matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy  4Ilazana zavatra iray izay ampiana zavatra hafa: Asio sira ny laoka.
5Velezina, vonoina amin' ny kapoka, ampiharana fahavoazana, na ara-batana na ara-tsaina: Nasiana tehamaina ny zanako ka tsy manaiky aho.
6/ Nasian-dRakoto teny ratsy Rabe
.
7Enti-milaza toerana hanorenan-trano: Nasiana trano teo andrefanay;
-- toerana ambolena zavatra: Asio vomanga itỳ sombin-tany itỳ;
-- toerana ametahana zavatra: Asio bokotra kely itỳ akanjoko
-- toerana ametrahana zavatra: Nasiany voninkazo ny latabatra fiasako. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  8to have something put with it or into it.
9to be struck or attacked. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  10où l'on met.
11qu'on frappe, qu'on attaque. [1.8]
Ohatra  12 Diovina avy eo ary asiana sira. [2.117#]
13 Ary andrefan-trano no asiana azy. [2.442#]
14 Dia asiana volafotsy eo amin' ny vozon' ny voatavo arivolahy. [2.508#]
Haiendriteny 
15 Ny ankehitriny :
16 Ny lasa :
17 Ny hoavy :
18 Filaza mandidy :
Kamban-teny rehetra  19Fikambanana 5 amin' io teny io
Ohabolana  20 Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  21 anaîsa, 22 Aniasa, 23 asaina, 24 asiana, 25 iasana, iasaña

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/03