Teny iditra ankifidy (fidy)
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   Kilalaon' ny Ntaolo ara-tsaina nitsapana [...] [tohiny Rajemisa 1985]
   Ny ankifidy kosa indray dia miendrika ankamantatra ihany saingy misy safidy asaina ataon'ny mpamaly ny fanontaniana. Tsy mba miandoha amin'ny fanontaniana hoe : "Inona àry izany ?" ity kilalaon-tsaina ity fa avy hatrany dia manontany ny safidin'ny mpihaino. Avy amin'ny fototeny hoe fidy nahazoana ny hoe safidy manko ny teny hoe ankifidy. Avy amin'ny fahaizan'ny ankizy sy ny tanora mamaly ireny matetika no ahitany taratra sahady ny mety ho toetoetrany sy fomba fisainany. Ao amin'ny ankifidy, araka izany, dia sady mamantatra ny hevitra mifono ao anatin'ilay fanontaniana no misafidy ihany koa izay tiana ho an'ny tena amin'ireo. Koa amin'ny maha ankifidy azy dia miandoha amin'ny hoe : "alao izay ho anao" izy. ... [http://www.haisoratra.org/article.php3?id_article=302]
Dikanteny frantsay   (épelé an-kifidy) littéralement au choix; sorte d'énigme, ou devinette avec choix entre deux objets [Abinal 1888]
Voambolana  
Jereo  
Habaka   Haisosatra.org: Ankifidy  http://www.haisoratra.org/article.php3?id_article=302

Teny iditra ankifidy
Sokajin-teny   mpamaritra
Famaritana malagasy   Atao raha tiana [SLP 1986]
Dikanteny frantsay   Facultatif [SLP 1986]

Nohavaozina taminy 2009/10/29
Takela isoratana ny soso-kevitrao