|
|
|
|

Teny iditra1 anjely
Sokajin-teny  2 anarana
Fanazavàna teny malagasy  3(Fivavahana Katolika) Zavaboary fanahy fotsiny izay nataon' Andriamanitra ho mpanome voninahitra azy ary ho mpanelanelana aminy sy ny olombelona; ny antokony iray amin' izy ireo, izay atao hoe anjely mpiambina dia asain' Andriamanitra miaro sy miambina ny olombelona tsirairay avy.
4(Misy sokajiny sivy ny zavaboary fanahy fotsiny ihany ka ny anjely no ambaratonga farany ambany indrindra; indreto avy ireo sokajiny sivy ireo: ny Serafima, ny Kerobina, ny Fiketrahana, ny Fanapahana, ny Hatsaram-panahy, ny Hery, ny Fifehezana, ny Arakanjely, ary ny Anjely). [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  5an angel.
6[Eng.
7angel.]. [1.2]
8an angel. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  9ange. [1.8]
Voambolana  10 Fivavahana
Lahatsoratra  11Randzavola: anjely ao amin' ny Baiboly

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/12