|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 Andriamisara |
| Sokajin-teny | 2 anaran-tsamirery (olona) [Fitanisana] |
| Fanazavàna teny malagasy |
3Niteraka roa lahy Andriamandazoala, dia i Tsiranto na Andriamisara sy Rahiala na Andriamandresy.
4Nanjaka nandimby andrainy tao Bengy Andriamandresy. 5Misy mpitantara milaza fa tsy mba nanjaka Andriamisara fa ombiasy nandamina ny fombafomba samihafa fanao amin'ny fivavahana amin'ny razan'ny Mpanjaka. 6Tamin'ny andron'izy mirahalahy no voalamina ho fombam-panjakana ny fivavahana amin'ny razan'ny Mpanjaka sy ny dady (nify, hoho, volo,... 7nalaina tamin'ny Mpanjaka niamboho ka tahirizina manokana toy ny zava-masina). 8Milevina ao Bengy izy mirahalahy. 9Ny ankamaroan'ny mpitantara dia milaza fa Andriamisara no rain' Andriandahifotsy.. [2.508#116] 10Roalahy ny zanak' Andriamandazoala dia Andriamisara sy Andriamandresy izay samy milevina ao Benge. 11Andriamisara no rain' Andriandahifotsy, mpanjaka nalaza tany Menabe.. [2.113#17] |
| Kamban-teny rehetra | 12Andriamisara Efa-dahy |
| Fivaditsoratra | 13 Andriamisara, 14 mandrairaisa |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/10/09 |
|