| Fanazavàna teny malagasy |
6Ny atao hoe anaran-tsamirery dia ny anarana milaza olona na biby na zavatra tsirairay avy, ka entina mampiavaka azy amin' ny hafa mitovy karazana aminy.
7Ohatra: Andrinampoinimerina, Naivo, Alaotra..
8Ireto avy no mety hanana anaran-tsamirery: ny olona (Rabe), ny biby (Imaromainty), ny tany (Madagasikara), ny faritany (Imamo), ny tanàna (Antananarivo), ny tendrombohitra (Andringitra), ny renirano (Mangoro), ny farihy (Alaotra), ny mponina amin' ny tany iray (Malagasy)..
9Atao soratra vaventy mandrakariva ny voalohan-tsoratry ny anaran-tsamirery, afa-tsy ny anara-mponina raha ampiasaina ho mpamaritra anarana izy, ary soratana teny iray daholo ny teny rehetra natambatra manaovana azy.
10Ohatra: Anisan' ny tonga teto voalohany ny Arabo ~ Ny hoe mizana dia teny arabo..
[1.146#41]
|