|
|
|
|

Teny iditra1 anaran-tsamirery
Singan-teny  2anarana, 3samy, 4irery
Sokajin-teny  5 anarana
Fanazavàna teny malagasy  6Ny atao hoe anaran-tsamirery dia ny anarana milaza olona na biby na zavatra tsirairay avy, ka entina mampiavaka azy amin' ny hafa mitovy karazana aminy.
7Ohatra: Andrinampoinimerina, Naivo, Alaotra..
8Ireto avy no mety hanana anaran-tsamirery: ny olona (Rabe), ny biby (Imaromainty), ny tany (Madagasikara), ny faritany (Imamo), ny tanàna (Antananarivo), ny tendrombohitra (Andringitra), ny renirano (Mangoro), ny farihy (Alaotra), ny mponina amin' ny tany iray (Malagasy)..
9Atao soratra vaventy mandrakariva ny voalohan-tsoratry ny anaran-tsamirery, afa-tsy ny anara-mponina raha ampiasaina ho mpamaritra anarana izy, ary soratana teny iray daholo ny teny rehetra natambatra manaovana azy.
10Ohatra: Anisan' ny tonga teto voalohany ny Arabo ~ Ny hoe mizana dia teny arabo.. [1.146#41]
Fanazavàna teny anglisy  11name. [3.1]
Fanazavàna teny frantsay  12nom propre. [3.1]
Ohatra  13 Tokony ho anaram-bosotra tsotra izy io rehefa tsy anaran-tsamirery [1.519]
Voambolana  14 Haiteny

Nohavaozina tamin' ny 2025/10/11