|
|
|
|

Teny iditra1 Ampamoizamaso
Singan-teny  2ampamoizana, 3maso
Sokajin-teny  4 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  5 Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  6Narivony Jean
Lahatsiratra manontolo  7 Tsy mba afaka ao an-tsaiko ilay havoana,
8 'Lay fihoarana, 'lay tany fisentoana:
9 Eo no fara fitsinjovana an' Iarivo,
10 Eo ny dobon-dranomaso dia marivo!

11 Eo ny fo mitebitebin'alahelo;
12 Ny eritreritra mandeha mamelovelo;
13 Eo ny sento dia miloatra ka tsy tana
14 Rah' mitazana ny tany nialana!

15 Eny am-paravodilanitra eny, indro
16 Toa havoana rakotra ala mikirindro;
17 Elo rahona no eny mitatao,
18 Mahamalomaloka azy toy izao!

19 Mitampody indray ny lasa fa tsaroana,
20 Ka ny havana toa hita manoloana;
21 'Ndray miserana eo izany toa ankaso
22 'Zay mitranga hampirotsa-dranomaso!

23 Vetivety dia atao ny fara jery,
24 'Zay ny fara topy maso hany hery;
25 Kanjo safotra izy mantsy ka mijoy,
26 Fa " hilaozana tokoa ilay tsy foy ".

27 Ô! ry vohitro malala, ry akany,
28 E! mamoy anao ny maso ka tomany,
29 Fa ny foko raha sarahina handao,
30 Dia vao mainka koa mifatotra aminao!

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/13