|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1 alefa
Fototeny  2lefa
Sokajin-teny  3 matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy  4Asaina, avala mandeha: Nalefany tany Amerika ny zanany.
5Atoraka, atsipy: Nalefako ilay vato ka voa ilay voronkely ~ Alefaso ny baolina.
6Afahana, votsorana: Alefaso ilay voronkely azonao omaly fa mampalahelo ~ Nalefon' ny fanjakana ireo gadra politika. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  7to be released; to be sent or shipped; to be sent on its way. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  8qu'on lâche, qu'on relâche; qu'on expédie; qu'on laisse partir; qu'on envoie. [1.8]
Ohatra  9 Maro ny fandaharana alefa ao. [2.117]
10 rehefa vita ny adiny, dia alefa fotsiny izy; [2.366]
11 Tantara tsangana izy ity, nefa kosa tantara azo alefa amin' ny onjam-peo. [2.285]
Haiendriteny 
12 Ny ankehitriny :
13 Ny lasa :
14 Ny hoavy :
15 Filaza mandidy :
Kamban-teny rehetra  16nalefa ho tafon-tranon' andriana

Teny iditra (2/2)17 alefa
Sokajin-teny  18 anarana
Fanazavàna teny malagasy  19Vanja indray mandeha. [Bara] [1.78]

Fivaditsoratra  20 alefa, 21 faela

Nohavaozina tamin' ny 2025/10/08