|
|
|
|

Teny iditra1 Rasoalao
Sokajin-teny  2 anarana hita ao amin' ny ohabolana [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  3Rasoalao kosa, hono, dia Vazimbavavy avy any Ankaratra, ka niankandrefana nankany Ambohimiangara, ary nanambady an-dRapeto, ka niteraka vavy roa, dia Rasoavolandrainy sy Rangorimanga, Tao Ambohimiangara sy Ikasigeany Mandridrano, ary tao Ambatomanjaka sy Ambohibe, any Mamolakazo, no nisy vohitra fonenan' izy mivady.
4Mbola ao an-tampon' Ambohimiangara mandrak' ankehitriny, hono, ny vilany vin-dRasoalao sy ny fahitr' ombiny ary ny fatoran-janakombiny.
5Ny ombimanga rehetra any Antsakalava dia atao hoe "ombimangan-dRasoalao ;" ary raha handeha hisambotra ireny ny mpanonta, dia mitaraina amin-dRasoalao sy Ikotofotsy (vorompotsy) mpiandry ny ombiny mba hanome ombimanga azy, vao sahy mandroso manenjika.. [2.69]
Voambolana  6 Finoana

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/12