| Fanazavàna teny malagasy |
9Anaran' olo-malaza tamin' ny angano noho ny halavany.
[1.1]
10Rapeto, hono, dia Vazimba talohan' izany Andriamanelo, mpanjaka tatý fony fahagola.
11Teo Ambohidrapeto andrefan' Antananarivo, no vohitra nitoerany.
12Lavabe nahatakatra ny lanitra izy.
13Tany anaty ala atsinanana no nandrahoiny ny variny, nefa tany Ambohidrapeto no nihinanany azy.
14Tany Ambohitrarahaba, avaratr' Antananarivo, no filalaovany, ka nataony indray mandingana ihany hatreny Ambohidrapeto ka hatreny Ambohitrarahaba.
15Izy no nanao ny tsentsin-drano vato vaventibe ao am-bodin' Itasy, ka namboariny ho farihy lehibe, hisotroan' ny ombin-dRasoalao vadiny.
16Ilay vato loaka tahaka ny dian-tongotr' olona ao an-dalamben' Ambohitrarahaba dia nohitsahin' ny faladiany sy niankinan' ny ranjony, hono, hampisehoany ny heriny.
17Ary ny loadoaka eny amin' ny vatolampy maro dia lazaina hoe diany avokoa.
18Indray mandeha izay dia nanampatra ny heriny loatra izy ka naka ny volana holalaovin' ny zanany ; kanjo nasian' ny volana diamanga izy ka dangy nitsitra terý.
19Lazain' ny sasany kosa anefa fa nankany atsinanan' Amorokay izy, ka tany no nahafatesany..
[2.69]
|