| Fanazavàna teny malagasy |
3 - Ny fiainany.
4Teraka tao Ambodihady Ambohimanarina izy ny 12 Janoary 1916.
5Zanak’Itompokolahy Razafimahatratra, mpampianatra sy Itompokovavy Razafimiarandray.
6Manambady an-dRamatoa Razanadrasoa ary 11 no isan’ny zanany.
7 - Ny Sekoly nianarany.
81922-1923 : Nanomboka nianatra tao amin’ny Sekolim-panjakana tao Ambohimiadana Andramasina.
91924-1925 : Nifindra tao amin’ny Sekolim-piangonana LMS tao Ambodihady Ambohimanarina.
101926-1930 : Nanohy ny fianarany tao amin’ny Sekolim-panjakana tao Anosisoa-Ambohimanarina.
111931-1934 : Tao amin’ny Sekolin’ny LMS Ambatonakanga.
121935-1936 : Tao amin’ny Sekoly Normaly niraisan’ny Misiona Protestanta tao Ambavahadimitafo.
131937-1939 : Nanohy fianarana tao amin’ny Sekoly Paul Minault tao Ambohijatovo.
14 - Ny asa nataony.
151939 : Nanomboka nampianatra tany Isoavina.
16Ecole de Station LMS.
171940- 1941 : Nafindra nampianatra tao Ambatonakanga LMS.
181941- 1942 : Naverina nampianatra tany Isoavina indray.
191942- 1946 : Niditra tao amin’ny Kolejy Teolojika LMS Ambohipotsy.
201946-1950 : Mpitandrina tao Ambohitsimeloka-Ambohidratrimo.
211950-1970 : Mpitandrina tany Isoavina-Carion.
221971-1972 : Prezida Sinodaly tany Fianarantsoa.
231973- 1974 : Tonian’ny Isan’Enimbolan’Imerina.
241974- 1980 : Tonian’ny Mpiandraikitra Fitondram-piangonana Foibe fjkm.
251980-1981 : Nisotro ronono.
26 - Ny Asa Sorany Nanoratra.
27Ny Sikajin’i Dadabe, Voromby, Isa ny Amontana, Sekolin ’ny Ntaolo.
28 Ny tena ahafantarana azy dia ny tantara foronina.
29Nisy koa anefa dikan-teny nahakinga azy toy ny : Et il habita parmi nous izay nadikany hoe : Ary izy niara-nonina tamintsika.
30Tsotra, mazava, mahaliana ny asa sorany.
31 .
[5.mg.http://www.macp.gov.mg/blog/divers-randriamiadanarivo/]
|