|
|
|
|

Teny iditra (1/5)1 ho
Sokajin-teny  2 kianteny [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  3Teny kely fametraka eo alohan' ny teny iray hanambarana ny fotoana ho avy, ka io teny ialohany io mety ho:
-- Anarana: Ny ho dokotera no kendreny
-- Mpamaritra anarana: Ho hendry aho amin' ny sisa
-- Mpisolo anarana: Ho izany tokoa!
-- Matoanteny: Ho tonga rahampitso izy / Ho vita ity rahariva (raha matoantenin' ny iharana misy tovana, mitovona ny ho: Hovitaiko ity rahariva)
-- Mpamaritra matoanteny: Ho aiza i Neny? -- Ho any an-tsena aho, anaka.
4Teny kely fametraka eo alohan' ny an- na ny mpisolo anarana misolo olona fameno (ahy, anao, azy...) ka enti-milaza ny olona voakendry ho tompon-javatra: Ho andRakoto, ho antsika.
5Teny fanao: a) eo aorian' ny matoanteny toy ny hoe atao, heverina hilazana toe-javatra tsy tahaka ny niheverana azy: Nataoko ho efa lasa ianao; b) eo aorian' ny matoanteny, toy ny hoe manao, mihevitra, mihambo, hilazana toetra tsy ananana: Manao azy ho adala, mihevitena ho mahay; d) eo aorian' ny matoanteny toy ny manova, miova, ovana: Miova ho tsara.
6Teny fampidirana ny fehezan-kevitra milaza zava-kendrena: Mihinana mba ho velona, fa tsy velona mba hihinana, na firariana: Ho tonga anie i Dada!.
7Eo anelanelan' ny mpamaritra matoanteny miverina indroa enti-milaza toerana na fotoana tsy voafaritra marina: Aiza ho aiza, eto ho eto, atsy ho atsy. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  8sign of the future tense, used before consonants, as
-- tonga, v.
9arrived; ho tonga, will arrive
-- tapahina, v.pass.
10to be cut; hotapahina, will be cut. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  11marque le futur; se met devant les consonnes; ex.
12
-- tonga, v.
13arrivé; ho tonga, arrivera
-- tapahina, v.pass.
14qu'on coupe; hotapahina, qu'on coupera. [1.8]
Kamban-teny rehetra  15Fikambanana 77 amin' io teny io

Teny iditra (2/5)16
Sokajin-teny  17 mpampiankin-teny [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  18tahaka, sahala. [Tanosy] [1.78]

Teny iditra (3/5)19 ho
Sokajin-teny  20 tambinteny [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  21toa, toy ny, toy izany: hô fary, ny lohany indray botsa. [Tanosy] [1.78]
Kamban-teny rehetra  22Fikambanana 7 amin' io teny io

Teny iditra (4/5)23 ho~
Sokajin-teny  24 tovona [Fitanisana]

Teny iditra (5/5)25 Ho    
Sokajin-teny  26 anarana (eva)
Fanazavàna teny malagasy  27Singa mivaingana, faha-67 amin'ny fisokajiana miherina.. [3.1]
Fanazavàna teny anglisy  28Holmium.. [3.1]
Voambolana  29 Simia
Tsanganana sy sary iray takila  30 Fisokajiana miherina

Nohavaozina tamin' ny 2025/10/11